<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>224</hymn_number>
<title>Tafavory izahay ka manatona Anao FFPM224</title>
<lyrics>[V1]
 Tafavory izahay ka manatona
 Anao
 Zanahary nahary anay ;
 Ka mba raiso izao
 Izahay Zanakao ;
 Aza lavina re izahay !

[V2]
 Tafavory izahay ka miantso
 Anao
 Ry Jeso Mpamonjy anay ;
 Mihainoa Tompo ô !
 Mitenena izao,
 Fa mitady Anao izahay !

[V3]
 Tafavory izahay ka miandry
 Anao
 Ry Fanahy Mpananatra anay ;
 Aidino ilay afonao fahizay,
 Areheto atý aminay.</lyrics>
</song>